Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Arivonimamo : tovolahy 14 taona voatomboka angady teo amin’ny lohany

$
0
0

Ny asabotsy teo, nentin’ny hamamoany rehefa avy nifoka rongony ny lehilahy iray ka nahavita nanomboka angady teo amin’ny tampon-dohan’ny tovolahikely iray vao 14 taona tany Manalalondo Arivonimamo. Mbola nahazo ny faritry ny tarehiny ihany koa ny lelan’angady. Vaky ny lohany vokatr’izany ka voatery nentina teny amin’ny CSBII. Noho ny tsy fahampian’ny fitaovana tany an-toerana, nalefa manaraka fitsaboana etsy HJRA ity tovolahy kely ity. Araka ny fanazavan’ny olona nitondra azy tao amin’ny hopitaly, mbola niasa tany ity tovolahikely ity no nanatona azy ny tovolahy iray. Nifamaly teo izy roa lahy ireo ka tsy fantatra izay nahazo ny iray fa noraisiny avy hatrany ilay angady ary nokapainy ilay tovolahy kely. Nifarimbona nisambotra ilay nahavanon-doza ireo mpiasa tany sasany ary nitondra azy teny amin’ny mpitandro filaminana.

Tiavina


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles