Tonga ara-potoana taorian’ny antso an-tariby ny mpitandro filaminana nandritra ny fanafihan-jiolahy teny Ampitatafika, ny asabotsy hariva teo. Teo am-pandrahonana sy nidaroka ny tompon-trano tamin’ny basy ireo jiolahy, niditra koa ny zandary. Nitsoaka ireo jiolahy, saingy tsy navelan’ny zandary raha tsy tratrany na niditra tany anelakela-trano aza. Telo lahy ireto jiolahy ireto, saingy ny iray ihany no voasambotra. Fantatra tamin’izany fa basy kilalao no nentin’ireto jiolahy ireto nanafika ity tokantrano ity, saingy tsy nahazoany na ariary aza. Efa fantatra avokoa amin’izao fotoana izao ireo namany roa lahy ka efa manomboka ny fitadiavana azy.
Tiavina