Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fampidiram-bolam-panjakana : tsy ampy olona ny sehatry ny fampidiran-ketra

$
0
0
Hetra21marsa15

 Tsy tena tafiditra ny hetra. Mandringa ny fampidiram-bolam-panjakana eto amintsika. Nikarakara fifaninanana hidirana ho mpiasa sy mpanara-maso miana-draharaha (agents sy contrôleurs) ho amin’izany ny ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Tsy manaraka ny fenitra ilaina izany ankehitriny, araka ny fanazavan’ny fandaharan’asa ao amin’ny hetra, Ranaivoson Jean-Claude, afak’omaly.

Ho fanarenana izany, nanao dingana hifaninanana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, toy ny Bianco sy ny asam-panjakana izy ireo. Hentitra ny fanazavana tamin’ny mpanao gazety, fa hatao ao anatin’ny mangarahara tanteraka, ny fifaninanana fandraisana ho mpiasam-panjakana hisahana ny hetra.

 Be loatra ny mpifaninana

 200 avy no toerana misy amin’ity taona ity ho an’ireo ho mpiana-draharaha ireo. Taorian’ny fandraisana ireo antontan-taratasy anefa, tafakatra 7.597 ireo mpifaninana ho mpiasa mpiana-draharaha (agents), raha 14.510 ny mpifaninana ho mpanara-maso mpiana-draharaha (contrôleurs). Raha fehezina, 400 ihany no horaisina amin’ity taona ity amin’ireo mpifaninana ireo, izay mihoatra lavitra amin’ny noferana. Miahiahy ny mety hisian’ny

kolikoly na fahafantarana olona anefa ny mpiadina.

Nanome toky ireo mpikarakara fa hadio ity fifaninanana indray mandeha ity. « Izay mahita zavatra tsy mazava manana endrika kolikoly, manana porofo, afaka mametraka fitoriana any amin’ny Bianco », hoy ihany ny talen’ny fandaharan’asa ao amin’ny hetra, Ranaivoson Jean-Claude. Mbola nohamafisin’ny ao amin’ny Bianco sy ny asam-panjakana ny amin’izany.

 Tsy ampy olona

 Hatramin’ny nanafoanan’ny mpamatsy vola iraim-pirenena ny fampidirana mpiasam-panjakana tamin’ny repoblika II, nandringa ny fampidirana mpiasam-panjakana teto amintsika. Betsaka ireo nandeha nisotro ronono na nodimandry nefa tsy nisy mpandimby. Nanararaotra izay afaka niditra antsokosoko tamin’izany, izay mila ezaka be ho an’ny fanadiovana ny fifaninanana ho mpiasam-panjakana. Tsy mahazaka izany anefa ny tetibolam-panjakana, amin’ny ankapobeny.

Ho an’ny sehatry ny fampidiran-ketra, tsy ampy hatrany ifotony ny olona hanangona izany. Birao iray, ohatra, olona 10 no ilaina saingy tsy misy afa-tsy olona telo. Betsaka koa ireo biraon’ny hetra saingy tsy ampy ny olona any amin’ny distrika lavitra ny renivohitra. Raha ny fanazavana, 100 ny biraon’ny hetra manerana ny Nosy, ankoatra ireo misahana manokana ny orinasa. Ato anatin’ny 5 na 10 taona ho avy, betsaka ny handeha hisotro ronono. « Miankina betsaka amin’ny fidiran-ketra ny fampandehanan-draharaham-panjakana », hoy ihany ny fanazavana.

Ny 31 marsa -5 avrily no hanaovana ny fifaninanana manerana ny faritra rehetra. Hivoaka

Ny faran’ny volana mey na voalohan’ny volana jona ny valiny.

 Zo. Ra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles