Latsaka anaty kizo tanteraka tsy mety tafarina ny firenena. Mihetsiketsika daholo ny hery velona rehetra. Anisan’izany ny fikambanana « Strategy Development Empowerment » (SDE). Manomana Fihaonana an-tampon’ny olom-pirenena izy ireo, izay kasaina hatao eto Antananrivo atsy ho atsy.
Mialoha izany, mikarakara loabary an-dasy eny amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano, izy ireo, anio. Hifantoka amin’ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany ny dinidinika, izay miainga amin’ny lohahevitra roa. Hitondra fanazavana momba ny « Fankatoavana iraisam-pirenena sy ny tokony ho tombontsoa avy amin’izany sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara » ny mpampianatra eny Ankatso, Raniriharinosy Harimanana.
« Eo amin’ny fanatontoloana, mbola azo antoka na ilaina ho an’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara ve ny fiandrianam-pirenena ? » no lohahevitra ho entin’ny mpikaroka, Rabearimanana Gabriel. Eo ankatoky ny faha-68 taonan’ny 29 marsa 1947 rahateo isika, ankoatra ny resabe nihodinkodina momba ny fiandrianam-pirenena faramparany teo. Eo ambany fiahian’ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo Zafitsimivalo ny hetsika.
Zo. Ra.