Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Sata manokan’Antananarivo : mifanenjana ny depiote sy ny Fitondrana

$
0
0
DSC_0018

 Tsy hilamina mihitsy, hatreto, ny fandaniana ilay sata manokan’Antananarivo Renivohitra. Nifandroritana indray ny momba izany, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy nikoso-maso fa tsy nanaiky hatramin’ny farany ilay volavolana natolotry ny Fitondrana ireo depiote miisa 11 amin’ny 12 teto an-drenivohitra.

Nampiaka-peo ireo depioten’Antananarivo Renivohitra. Tsy nisy nanaiky ny andinin-dalàna hanendren’ny Filankevitry ny tanàna ireo delegen’ny ben’ny tanàna isaky ny boriborintany izy ireo. « Avereno amin’ny ben’ny Tanàna ny fahefana feno hanendry ireo delege eny anivon’ny boriborintany ireo sy ny fahefana feno amin’ny fanapahan-kevitra hitondrany ny kaominina », hoy izy ireo tamin’ny fivoriambe.
Raha ny fepetra napetraky ny Fitondrana, ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny tanàna no mifidy izay ho delegen’ny boriborintany izay nantsoina ho ben’ny tanàna delege. Izany hoe, raha ny anarana fotsiny dia efa tsy manana fahefana amin’izy ireo ny ben’ny tanàna, raha ny and.4 sy 6 amin’ilay lalàna. Raha vantanina, notsipahin’ny 90 %-n’ireo depiote ity volavolan-dalàna ity. Vokany, notapahina, omaly, fa haverina eny anivon’ny fivoriamben’ny filoha sy filoham-baomiera, indray io sata manokana io.

Hiverin-dàlana indray ?

 

Anisan’ny antoky ny fahafahana sy fahefana manokana araka izay tokony ho sata manokan’Antananarivo Renivohitra ny hahafahahan’izay ho ben’ny tanàna mitantana tsy misy manelingelina ny renivohitra. Miketrika hametraka ny dian-tanany amin’izany hatrany anefa izay nitondra ny firenena teto, hatramin’izao. Vokany, ahiana hiverin-dàlana indray ny raharaha.

Raha ny vaovao azo farany teny Tsimbazaza, omaly, tamin’ny fotoana nanoratanay, mbola hiverina hivory ireo depiote miisa12 tamin’ny boriborintany enina eto an-drenivohitra ny alatsinainy izao. Hitondra ny fehin-keviny amin’ny fivoriana iarahany amin’ny filohan’ny vaomieran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana eny Tsimbazaza izy ireo, aorian’izay. Ho tonga hatraiza ny raharaha ?

Hiitatra io satria mbola hivory hiaraka amin’izy ireo indray ireo teknisianin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny vaomieran’ny Atitany eo anivon’ny Antenimiera handinika ny satan’Antananarivo ny talata izao. Kely ny fotoana eo am-pelan-tànana satria tsy maintsy holaniana ny alarobia ao anatin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro hatrehina izany, miaraka amin’ny satan’i Nosy Be sy Sainte-Marie.

Midika izany fa tsy hanaiky lembenana ireo depiote ary nitovy tadin-dokanga na eo aza ny maha samy hafa ny loko politikan’izy ireo.

 Zo. Ra.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles