Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

SOS Village d’Enfants : hanampy hanorina sekoly ny masoivoho japoney

$
0
0
japon

Hanohana ny fikambanana SOS Village d’Enfants ny masoivoho japoney amin’ny fanorenana toeram-pianarana ahitana efitrano enina. Natokana handraisana ny ankizy madinika ny akany fibeazana sy ny maternelle amin’ny efitrano vaovao haorina ao Ankoko, Taolagnaro. Mitentina 72 267 euros (223 tapitrisa Ar) ny vola natokana hananganana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana azy ho azo ampiasaina avy hatrany. Natao omaly ny fanaovan-tsonia teo amin’ny masoivoho japoney, Ryuhei Hosoya, sy ny tale nasionalin’ny fikambanana eto Madagasikara, Daniel Paniez. Ho vita ny volana oktobra ny asa ka handray mpianatra avy hatrany amin’ny taom-pianarana manaraka 2015-2016. Hametrahana toeram-pisakafoana sy trano famakiam-boky ary birao iray ny sekoly.

Laharam-pahamehana ny ankizy madinika (latsaky ny 6 taona) avy amin’ny fianakaviana sahirana ka 200 no hahazo tombontsoa mivantana amin’ny efitrano enina haorina. Hiditra amin’ny EPP izy ireo rehefa vita ny dingana voalohany. Tanàna fahefatra hajoro any an-toerana no misy ny sekoly vaovao.

Mandray an-tanana ankizy 6 000 isan’andro ny fikambanana SOS Village d’Enfants manerana ny Nosy.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles