Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

BNI Madagascar : antsoina ny mpikarama rehetra

$
0
0
BNI 19 marsa

 Manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny banky. Nanazava izany ny ao amin’ny BNI Madagascar, omaly, notarihin’ny tale jeneraly lefitra, Denis Bareau, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. “Manampy amin’ny karazana fandraharahana rehetra izahay, orinasa madinika, salantsalany, lehibe, sy ho an’ny sokajin’olona rehetra”, hoy i Denis Bareau. Amin’izao fotoana izao indrindra, ilaina ny fampirisihana hatrany ny mpikarama sy manana anton’asa mahaleo tena rehetra hampiasa vola amin’ny banky. Antony niantsoan’ny BNI Madagascar, hanatevina ny mpametra-bola ao aminy.

Amin’izao fotoana izao, olon-tsotra, mpiasam-panjakana no betsaka manana petra-bola indrindra ao amin’ity banky ity. Homena tombony rahateo ny mpiasam-panjakana, somary mihena kely ny azy ny tahan’ny zanabola raha oharina amin’ny hafa. Iaraha-mahalala amin’izao fotoan-tsarotra diavin’ny toekarem-pirenena izao fa mbola vitsy ny manana petra-bola amin’ny banky. Miankina amin’ny isan-tokantrano no hikajiana izany manana petra-bola fa tsy miankina amin’ny isan’ny mponina, araka ny fanazavan’ny teknisianina iray.

Sarotra ihany koa ny hahafantarana ny laharan’ny banky eto Madagasikara, izay tsy miankina mihitsy amin’ny isan’ny masoivoho fa amin’ny petra-bola sy ny mpampiasa vola ao aminy. Mbola eo koa ireo mpamatsy vola madinika (IMF) isan-tsokajiny, samy mampiasa vola avokoa.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles