Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Razanamahasoa Christine : « Tsy ara-dalàna ny fanendrena lehiben’ny faritra vaovao »

$
0
0
Razanamahasoa 19 marsa

« Tsy ara-dalàna ny nanendrena ireo lehiben’ny faritra vaovao. Ny lalàna 2014-01 nanendrena azy ireo, efa tsy manankery intsony, araka ny lalàna 2014-020. » Io ny fanazavan’ny depiote, mpahay lalàna sady minisitry ny Fitsarana tamin’ny Tetezamita, Razanamahasoa Christine, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, afakomaly.

Tsy fifangaroan’ny lalàna ny fanendrena lehiben’ny faritra vaovao, fa tena tsy fanarahan-dalàna, araka ny fanazavany. Efa nivoaka ny lalàna momba ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, efa lany teny amin’ny Antenimierampirenena. Noho izany, ny fifidianana no imasoana amin’izay ho lehiben’ny faritra, fa tsy ny fametrahana lehiben’ny faritra vaovao amin’ny alalan’ny lalàna tsy manankery intsony.

 Paipaika politika hiatrehana ny fifidianana kaominaly io

 Tsy vaovao eo amin’ny tantaram-pirenena ny fanendrena na fanovana toy izao, alohan’ny fifidianana. Ho fitaovana politikan’ny mpitondra sy ny antokony indray ny lehiben’ny faritra? Tahaka ny nampiasany ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra teo aloha, nasain’ny antokon’ny mpitondra hangata-bola amin’ny orinasa any an-toerana hanaovana fihaonambem-paritra, ny 15 marsa lasa teo.

Mifangaro voraka ny raharaham-panjakana sy ny an’ny antoko politika. Tsy hisy hahazo rariny sy hahita rirany amin’izao na iza hitaraina, fa efa lasa fitaovana politikan’ny mpitondra avokoa ny sehatra sy ny rafitra rehetra ao anaty fanjakana?

R.Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Trending Articles