
Hatramin’izao, tsy hita izay fiovana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Maneho ny fijeriny ny tonia mpanatanteraka ny firaisamonina sivily Voifiraisana/PFNOSCM, Ndriandahy Mahamoudou: « Maika ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana. » Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Tena ilaina na tsy azo ialàna ve ny fampihavanam-pirenena, tarihin’ny FFKM?
Ndriandahy Mahamoudou (-): Zava-dehibe ho an’ny firenena, tsy mbola tafavoaka tanteraka amin’ny krizy, ny fampihavanam-pirenena. Hahafahana miroso tsikelikely amin’ny fametrahana fiarahaminona milamina izany, hanjakan’ny fifankahazoana sy ny fitovian’ny lenta, ilaozan’ny raorao isan-karazany, ka hampaharitra ny fandriampahalemana.
Mila harahina fanavaozana fototra ny rafi-pitantanam-panjakana izany, tsy maintsy raiketina ao anaty lalàmpanorenana vaovao mba tena ho ainga vaovao ho an’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny Malagasy manerana ny faritra 22.
Nofy ihany izany rehetra izany, raha tsy vonona hiroso tanteraka amin’izay fanovana fototra izay ny fitondram-panjakana. Mila tohanan’ny vahoaka malagasy matotra ara-poto-kevitra izany: mahalala tsara ny tombontsoany, tsy mora voarebirebin’ireo vitsy anisa amina kabary tsara lahatra, izay tsy mitera-boka-tsoa afa-tsy ho an’izy ireo sy an’ireo vahiny mampiasa azy.
* Tsy nilaza ho mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka avokoa ve ireo mpitondra nifandimby?
- Ny tantaran’ny « hetsi-bahoaka » nisy teto amintsika hatramin’izao, manaporofo fa tsy izay milaza azy ho « miaro ny tombontsoam-bahoaka » na « miady amin’ny fanovana » no tena miezaka ho amin’izany. Natao fotsiny hampahomby ny hetsika ny ankamaroan’ny fotoana, tamin’ny kabary mambabo fo. Ny tena tanjona, tsy nisy afa-tsy ny tombontsoan’ireo mpitarika vitsy anisa.
Mazava, araka izany: tsy mandeha ho azy ireo ezaka tokony hatao ireo, satria maro ireo tombontsoa manokana ho voatohintohina. Mila ny fanohanan’ny olom-pirenena ny ezaka, misy amin’izao fotoana izao, momba ny fampihavanam-pirenena. Mba ho tody amin’ny tena fanovana lalim-paka izany, hiadanan’ny ambanilanitra.
* Ankoatra ny tokony hamonjena sy hanampiana ireo traboina, inona ny laharam-pahamehana mila atrehin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao?
- Misy ireo sehatr’asa lehibe telo, izay voafaritra ao amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Amin’ny antsipiriany kokoa izany ao amin’ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND). Mahafehy tsara ireo vaindohan-draharaha ifantohan’ny filoham-pirenena sy ny governemanta vaovao ireo.
Eo, ohatra, ny famerenana ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna, ny fanarenana ny toekarena amin’ny alàlan’ny fanatsarana ny tontolo ara-tsosialy sy ara-politika ary ny fampivoarana ny ara-tsosialy. Zava-dehibe ny fananana ireo sehatr’asa ireo satria mifanandrify tanteraka amin’izao vanim-potoana iainantsika izay mbola anjakan’ireo tarazo amin’ny lafiny maro navelan’ny krizy.
* Misy ohatra azo lazaina avy hatrany ve?
- Ny maika indrindra, ohatra, ny fanatanterahana ireo fepetra hisiana sy hifehezana ny fitoniana politika. Tokony hiainga amin’ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra izany. Misy ny ezaka efa natomboka, fa mbola tsy ampy: ao ireo gadra politika tsy navoaka, na nahazo famotsoran-keloka aza ny maro.
Eo ny momba ny filoham-pirenena teo aloha, mbola voafatotry ny fepetra samihafa tsy hananany fahalalahana feno. Ny « Raharahan’ny 7 febroary », tokony hofaranana amin’ny fitsarana tsy mitanila. Mba hahalalana sy hanasaziana ireo tomponandraikitra rehetra tamin’iny vono olona iny izany.
Efa tsara ny fiantombohan’ny fampihavanam-pirenena, tokony hiroso lalindalina kokoa. Tokony hazava ny fandaminana ny fitarihana sy ny fizotran’ny asa amin’izany. Mila hamafisina ny fanajana ny zon’olombelona amin’ny lafiny rehetra, indrindra taorian’ny nandalovan’ny andro ratsy ireny.
*Ahoana ny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, nahabe resaka tato ho ato?
- Maika koa ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny raharaham-panjakana. Tokony ho tsapan’ny rehetra ny ady ataon’ny mpitondra amin’ny fanararaotam-pahefana. Manomboka any amin’ny faratampony izany, ka hatrany amin’ny fokontany.
Miandrandra ny fanenjehana ireo tena atidoha amin’ny kolikoly avo lenta amin’ny sehatra rehetra ny vahoaka: volamena, vatosoa, hazo sarobidy, Jirama… Tokony hasiana ezaka manokana ny fanadiovana ny kolikoly manjaka ao amin’ny fitsarana. Toy izany koa ny fiarovana ny sisin-tanintsika sy ny habakabaka.
Manaraka, mila omena tosika manokana hisian’ny famoronana seha-pamokarana maro sy mivelatra ny mpandraharaha. Hisian’ny famoronana asa izany, hampihena ny tsy an’asa, hampitombo haingana ny harinkarem-pirenena sy ny lanjan’ny vola malagasy.
Mila jerena manokana ireo tena osa, indrindra fa ny vehivavy sy ny ankizy. Mba hanamaivanana ny fahasahiranan’izy ireo izany, hahafahany mandray anjara amin’ny famokarana.
Nangonin’i R. Nd.