Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fiarahamonina : nitombo isa ny voan’ny tiberkilaozy

$
0
0

 Tanjona ny hoe ho foana tanteraka ny aretina tiberkilaozy. Eto amintsika anefa, nitombo fa tsy nihena akory ny isan’ny olona tratran’ity aretina ity. Porofon’izany, araka ny voalaza ao anatin’ny fanambarana avy amin’ny filankevitry ny governemanta farany teo, niakatra 3% ny isan’ny olona voan’ny tiberkilaozy tamin’ny taon-dasa raha mitaha ny tamin’ny taona 2013. Raha 27.585 izy ireo, tafakatra 28.692.

Na izany aza, tsy tokony hisy ahina ny amin’ireo tratran’ity aretina ity raha toa ka manatona toeram-pitsaboana sy manaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsaboana. Voalaza mantsy fa nahatratra 82,40% ny taham-pahasitranana teo amin’ny marary. Tsy tontosa hatramin’ny farany ny fitsaboana ny 8,89%-n’ny marary noho izy ireo tsy niverina tany amin’ny toeram-pitsaboana intsony ary 0,75%-n’ny fitsaboana kosa no tsy nahomby.

Tsiahivina fa mifindra amin’ny alalan’ny rora, ny kohoka na koa ny rehoka avy amin’ny olona voany ny aretina tiberkilaozy. Izany hoe, entin’ny rivotra ny otrikaretina. Na izany aza, azo sitranina tsara ny olona tratrany.

Tsaroana isaky ny 24 marsa moa ny Andro eran-tany hiadiana amin’ny tiberkilaozy. Anisan’ny hanamarika izany isika eto Madagasikara. Tanjona amin’ny fotoana toy itony ny hanentanana ny tsirairay hitandrina sy handray andraikitra mba ho tratra tokoa ny hahafoana ity aretina, azo lazaina ho efa “antitra”, ity.

Landy R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles