
Miaina amin’ny zava-misy ny mpianatra tsy afaka manohy fampianara satria 1 400 ny efitrano simba, 600 amin’ireo, rava tanteraka vokatry ny rivodoza roa farany teo. « Misy ny fandaminana napetraky ny mpiandraikitra ny fampianarana ahazoan’ny ankizy mianatra ihany », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul.
38 000 ny mpianatra mahita olana vokatry ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana amin’ireo toerana voakasiky ny tranga. Efa mihetsika manamboatra ny simba ny minisitera miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka samihafa ary tonga amin’ny fotoana tena ilana azy ny tafo fanitso 300 avy amin’ny fikambanana Focus Humanitarian Assistance. Ampiasaina avy hatrany ho an’ny faritra Analamanga nahitana sekoly niala tafo maro ny fanampiana azo ; omaly teny Anosy. Nitondra izany ny solontenan’ny fikambanana, Hassim Sultanaly.
Laharam-pahamehana ny fandraisana ireo mpianatra manala fanadinam-panjakana hahavita ny fandaharam-pianarana rehetra.
Vonjy