Notokanana, omaly teny amin’ny foiben’ny Hafari Malagasy Anosizato ny sekoly fanabeazana ny zokiolona sy ny sekoly natokana hampianarana mamaky teny sy manoratra ireo zanaky ny sahirana eny La Réunion kely. Teo ambany fiahian’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny Jly Ravelonarivo Jean ity lanonam-pitokanana ity, notronin’ireo olo-manan-kaja, toy ny lehiben’ny distrika, ny solontenan’ny mpampanoa lalàna.
Mitentina 24 600 000 tapitrisa Ar ny tentim-bidin’ny fanamboarana ny trano. « Ezaka lehibe no vita tamin’ny fiahiana manokana ny vahoaka sahirana indrindra fa ireo mponina eny La Réunion kely. Nomena manokana hanabeazana ny zanaky ny vahoaka sahirana ity sekoly ity izay ezaky ny mpikambana », hoy ny filohan’ny Société civile en action, Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny lanonana, ny solontenan’ny masoivohon’i Afrika Atsimo.
Mitohy, araka izany, ny asa sosialy ataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ary hitohy ihany koa ny tetikasa fifindra-monina ambanivohitra, raha ny fanazavany hatrany.
Notolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Hafari Malagasy noho ny ezaka ho fampandrosoana ny lafiny sosialy vitan’ny fikambanana.
J.C