
Ho tsaraina ao Mahajanga ny 7 mey ho avy izao ny adin’ny fianakavian’ny mpino sasany ao amin’ny fiangonana Ambasadaoron’ny Lanitra sy ny mpitantana azy, tarihin’i Tatandraza Marc. Nomena fahafahana vonjimaika ny voampanga rehetra taorian’ny fampiakarana azy teny amin’ny fampanoavana, ny alatsinainy teo. « Malalaka ny fivavahana eto amintsika, ka tsy anenjehana azy », hoy ny fampanoavana. Mipetraka hatrany kosa ny fitoriana azy ireo ho naka tsy ara-drariny ny fananan’ny mpino sy ny fitazonana azy ireo an-keriny.
Fihetsika niavaka
Nanehoan’ireo voampanga fihetsika tsy fahita ity raharaha tao Mahajanga ity. Nitokona tsy nisakafo sy tsy nisotro rano i Tatandraza sy ny namany telo lahy nandritra ny famotorana. Nitroatra sady nikasi-tànana ny mpitandro filaminana nitondra azy izy efa-dahy noho ny fandavany ny fametahana rojovy tamin’ny hampidirana azy hatao famotorana tao amin’ny fampanoavana. Torana ka tsy maintsy nentina teny amin’ny hopitaly kosa i Tatandraza Marc taorian’io herisetra io nefa naverina tao amin’ny Fitsarana ihany rehefa nahazo aina. Nilaza ampahibemaso fa tsy azo tsarain’olombelona ihany koa izy ireo tao amin’ny fampanoavana fa Andriamanitra irery ihany no afaka hitsara azy.
Nilanja sora-baventy nanoloana ny lapan’ny Fitsarana tao Mahajanga Be ny mpino avy tao amin’io fiangonana zandriny io, nandritra ireo fotoana ireo, naneho ny hevitra voizin’ny toritenin’ny Ambasadaoron’ny Lanitra hatramin’izay. “Efa ho tonga ny fotoana farany ary efa Armagedona no misy amin’izao fotoana izao. Fidio ho filohan’i Madagasikara i Jesosy Tompo ary dia isika izay tarihin’i apostoly Marc Tatandraza no voahositra hanatanteka izany. Ny Fitondrana izay misy amin’izao dia tarihin’ny Satàna ka tokony ho ravàna sy ho potehina », hoy ny foto-kevitra aelin’io fiangonana io isan’andro amin’ny fahitalavitra ao Mahajanga.
Manou