20 marsa, Andro eran-tany ho an’ny angano. 21 marsa, Andro eran-tany ho an’ny tononkalo. Zavakanto samy homen’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana lanja manomboka anio. Hahazo tombony ny mpianatra satria hirotsaka any anivon’ny sekoly ny mpampiofana mahay momba ny tononkalo sy ny angano.
Anio amin’ny 9 ora maraina : torohay ho an’ny mpianatra ho fampahafantarana ny tontolon’ny tononkalo tontosaina ao amin’ny Lycée J.J Rabearivelo Analakely. Amin’ny 2 ora tolakandro: fitantarana angano ho an’ny kilonga ao amin’ny EPP Ampandrana Atsinanana. Hahazo ny anjarany ihany koa ny mpiasan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana amin’ny alalan’ny “Anjorian-tononkalo”. Rahampitso amin’ny 9 ora maraina ao amin’ny foiben’ny asa tanana 67ha, tranombokim-pirenena Anosy ary Somacodis Analakely. Ny tolakandro “Tonony sy kalo”, hivetsoana an-kira sy hiantsana tononkalo ao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Ny asabotsy 21 marsa amin’ny 10 ora maraina, lanonana ofisialy fizarana mari-pankasitrahana.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto