Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Mpamongady : “Marary ny varotra amin’ny ankapobeny”

$
0
0
Varotra 18 marsa

« Marary ny varotra amin’ny ankapobeny ary mahakasika ny karazam-barotra rehetra izany ». Io ny tenin’ny mpamongady iray eny Anosibe raha nanazava ny sakana rehetra tsy mampandroso ny varotra izy. Voalazany tamin’izany, ohatra, fa raha momba an-dry zareo mpamongady, tato anatin’ny roa taona nisesy izay, nihena betsaka ny entana lafo noho ny fifaninanana tsy ara-dalàna be loatra atao amin’ny mpamongady mandoa hetra ara-dalàna, araka izay maha mpamongady azy izay. « Betsaka ireo entana avy any ivelany ampidirina eto, raisin’ny tsy mpivarotra entana PPN. Ireo indray no mandefa ireny entana ireny any amin’ny mpaninjara mivantana ary tsy vitsy ny mpaninjara mbola mivarotra ambongadiny”.

Ny vokatra eto an-toerana indray, tsy mitsaha-miakatra noho ny tsy fahampiany sy faharatsian-dalana. Samy iaraha-mahita fa miakatra avokoa ny vary, hena, legioma, voamaina, sns. Antony iray lehibe ny fiakaran’ny vidin’ny herinaratra miampy fandaniana hafa fanampiny, toy ny haba aloa amin’ny kaominina, hofan-trano, karaman’ireo mpibata entana. Fehiny, voatery ny mpivarotra mampiakatra ny vidin’entana, nefa ny fahefa-mividin’ny mpanjifa latsaka ambany tsy maharaka izany. “Raha atao ny kajy, mihena betsaka ny fidiram-bolanay mpivarotra mpamongady. Raha taloha, mora kokoa isan’andro ny mahalafo vary dimy gony, siramamy roa gony miampy menaka 40 litatra.” , hoy ity mpamongady ity.

Be loatra ny mpivarotra eto Anananarivo, hatrany anelakela-trano rehetra any ahitana mpivarotra avokoa. Firy amin’ireny no manana karatra sy mandoa hetra ara-dalàna ? Toa tsy mahita atao intsony ny maro anisa hafa tsy mivarotra. Endriky ny fahantrana mibaribary ny fahamaroan’ny mpivarotra. Koa ho an’ity mpamongady iray ity, nanapa-kevitra izy, hifindra any amin’ny fitaterana indray. Nefa nomarihiny fa tsy azo antoka loatra koa izany fa hatao ihany aloha.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles