Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fanaraha-maso ny asa : manome 72 ora ny fanjakana ny mpiasa

$
0
0
fanarahamaso

Miitatra! Mitokona, nanomboka omaly koa ny mpiasa ao amin’ny Fanaraha-maso ny asa (inspection de travail). Nanao fihetsiketsehana izy ireo teo amin’ny biraon’ny Fanaraha-maso ny asa, tetsy Antsahavola. Anton’ny hetsika ny hanatanterahan’ny fanjakana ny sata mifehy azy ireo, voarakitry ny fifanarahana nofaritan’ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa (BIT), nataon’i Madagasikara sonia. Nomen’ireo mpiasa ireo fe-potoana telo andro (72 ora) ny fanjakana handinika ity raharaha ity.

Tsy miasa avokoa noho izany ny mpanara-maso ny asa rehetra manerana ny Nosy. Miato ny asan’izy ireo mikasika ny fanaraha-maso ny asa amin’ny orinasa samihafa eto an-toerana sy ny orinasa afakaba.

Raha izao no jerena, sahirana “mamono afo” ny hetsika sy fitokonana etsy sy eroa ny fanjakana. Etsy ankilany anefa, nanao fanamby lehibe, tsy maintsy hahita vokatra ao anatin’ny 100 andro ny governemanta. Matoa nanome fe-potoana raikitra toy izao ny mpanatanteraka, hojeren’ny vahoaka ny zava-bita ary amin’ny alalan’ireny toky nomena ireny no hitsarana raha mahomby sy mahavita zavatra ny mpitondra na tsia.

Randria

Cet article Fanaraha-maso ny asa : manome 72 ora ny fanjakana ny mpiasa est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles