
« Miaina ao anatin’ny sarotra sy fiainana henjana ireo mponina eny Ampasika Avaradrano. Saika traboina avokoa izy ireo ary tena mitondra faisana sy tsy misy mpijery. Tsy afaka nitazam-potsiny izahay ka tonga voalohany nijery ifotony sy nanome fanampiana azy ireo », hoy ny filohan’ny Vondron’olon-tsotra (Vot), Zoe Sarah, ny faran’ny herinandro teo teny an-toerana. Tapaka ny lalana ary mirongatra ny aretina ka tsy afa-bela ireo ankizy sy ny zokiolona. « Very fanahy mbola velona toy ny tsy misy fanjakana izy ireo ary tena very hasina ny zo maha olona. Miaina anaty loto sy miara-miaina amin’ny biby amin’ny trano zara raha azo isitrihana », hoy ihany izy.
Synèse R.
Cet article Takaitran’ny tondra-drano : nanampy an’Ampasika Avaradrano ny Vot est apparu en premier sur NewsMada.