« Zon’ny olona ny maneho ny heviny, ny mangataka », hoy ny filoha Rajaonarimampianina, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohibary Ambalavao, Antananarivo Atsimondrano, omaly momba ny fitokonan’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana. Tsy maintsy atao amim-pilaminana sy fahendrena izany, ary amin’ny fanajana lalàna.
Raha tokony handray karama ny mpiasam-panjakana ary tokony handray fisotroan-dronono ny zokiolona, tsy mety raha tsy hiasa ny tena satria mitaky ny hijanonan’ny olona iray, araka ny fanazavany. Misy andraikitra tokony horaisin’ny olona tsirairay. Ao anatin’ny fifampidinihana sy fitsinjovana ny tena tombontsoam-bahoaka sy ny tombontsoam-pirenena. Izany no enti-mampandroso ny firenena, fa tsy ny fifanakianana sy fifanebahana.
Fotoana hifanomezan-tanana amin’ny endrika maro samihafa izao, araka ny nambarany. Ampisehoana koa izany fa na inona na inona fitsapana na zava-mitranga eto amin’ny firenena: vonona hijoro ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ny vahoaka malagasy, handresy an’izany.
« Heverina fa mila fitandremana amin’ny olona tahaka ireny ny fihetsika toy ireny », hoy kosa izy momba ny filazan’ny ambasadaoro frantsay fa hanome endrika ratsy amin’ny famatsiam-bola an’i Madagasikara ny fanalana ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana.
Tena miaina izay lazainy ve ny mpitondra? Mitsara ny vahoaka, raha mbola azo itokisana sy azo antoka amin’izay lazainy sy ataony ny mpitondra…
R.Nd.
Cet article Filoha Rajaonarimampianina : « Fotoana ifanomezan-tanana izao » est apparu en premier sur NewsMada.