Efa fotoanany izao? Araka ny fampiantsoan’ny governemanta ny faran’ny herinandro teo, hivory tsy ara-potoana ireo depiote ary handinika ny volavolan-dalàna momba sata manokana ho an’Antananarivo Renivohitra sy Nosy Be ary Sainte-Marie.
Hanomboka anio izany fivoriana eny Tsimbazaza izany.
Efa nandrangaranga ny tsy handany izany volavolan-dalàna izany anefa ireo depiote sasany raha tsy mazava aloha ny resaka fiara tsy mataho-dalana (4×4) tokony ho azon’izy ireo. Nambaran’ny sasany amin’izy ireo fa zony izany ary tsy tokony ho takiana akory.
Tsy fantatr’ireo depiote na odiany fanina anefa fa tena mbola anaty fahasahiranana lalina sy fahantrana mangitsokitsoka ny firenena sy ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana hitakin’izy ireo izany tombontsoa izany.
Traboina sy kere ary rava fananana
Hadinon’izy ireo ny takaitra navelan’ny rivodoza sy ny ranobe namely ny faritra maro ka nahatonga ireo traboina analiny, ireo namoy ny ainy ary koa ny kere mahazo ny any atsimo.
Midika ho fandatsana vahoaka izany ary tena fitiavan-tena tafahoatra?
Efa vakivava mihitsy anefa ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE) eto amintsika herinandro vitsy lasa fa tsy tokony ho laharam-pahamehana izany fanomezana fiara 4×4 ho an’ny depiote izany.
Ka inona no tian’ireo solombavambahoaka ahatongavana?
Synèse R.
Cet article Fivoriana eny Tsimbazaza : hitaky ny fiara 4×4 ireo depiote est apparu en premier sur NewsMada.