Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70339

Fivoriana tsy ara-potoan’ny depiote : hotambazana fiara 4×4 indray vao hiasa ?

$
0
0

 Miala any sahady indray ny resaka 4×4. Vao tsy manomboka akory ilay fivoriana tsy ara-potoana hatao anio dia efa mivazavaza tsy handany ny volavolan-dalàna ny depiote sasany. Nilaza tamin’ny haino amanjery tsy miankina ny iray tamin’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo fa raha tsy mazava ny resaka fiara 4×4 dia tsy handany ny lalàna izy ireo.

Ny zava-misy, tsy ny depiote tsy mahatakatra hividy ilay fiara tsy mataho-dalana amin’ny volany manokana no miteny fa ny efa manana. Atao inona indray fiara hafa ? Tsy te hiala vola am-paosy amin’izay « rendrarendrany » izy ireo. Izay fombafomba hahafahana mangarona ny volam-bahoaka ankolaka ihany no mahamaika, izay ambara fa halaina isam-bolana amin’ny vatan-karaman’izy ireo.

Ilaina ny 4x 4 saingy…

Afaka na tokony hampiasa 4×4 ireo olom-panjakana toy ny depiote noho ny haratsian-dalana misy ankehitriny. Saingy tsy fotoanan’ny fiangetsanana izao, noho ny fahantram-bahoaka efa manoso-koditra. Vao tsy afaka akory ny olan’ny tra-boina etsy sy eroa sy ny hanoanana any atsimo dia efa izany no mahamaika ? Raha misy vola ahafaha-mividy izany, tsara kokoa raha ny famoronana asa hiavotan’ireo tra-boina no imasoana. Midika fitiavan-tena tafahoatra ny fiziriziriana amboletra hampividy izany amin’ny volam-bahoaka.

Fandatsana ny vahoaka nifidy ireo depiote koa ny fitakiana tombontsoa manokana eo anatrehan’izao fahasahiranana eto amin’ny firenena izao. Na ny vahiny toy ny ambasadaron’ny Vondrona eoropeanina aza, efa nanipika ankolaka fa tsy izany izao no tokony ho laharam-pahamehana. Nanaraka nanamarika izany koa ny Praiminisitra. Ho tody amin’izany ve ny anio ? Efa tsy dia maharesy lahatra loatra koa ilay volavolan-dalàna namaritana ny sata manokan’ireo tanàn-dehibe naverimberina teny Tsimbazaza.

Izay misy eo ampiasaina

Vahaolana maharitra sady mahomby no efa navoakan’ny mpanao politika sasany teto. Tsy tokony ho zo tsy azo ivalozana ho an’ireo olom-boafidy ny fividianana fiara 4×4 ho azy ireo manokana. Tarazo vao noforonina nanomboka tamin’ny taona 1991 sy 1992 io. Noho izany, tokony ho fiaram-panjakana hatrany no hampiasain’ireo depiote na ho loholona.

Efa misy ireo fiara 4×4 nomena ny distrika, izay fari-pifidianana nahalany ireo depiote ihany. Raha tsy afaka hampiasa ny fiarany manokana ireo depiote, izay mpandraharaha manana ny maha izy azy daholo, azo na tokony hatao ny fepetra hahafahana mampiasa ireny fiaram-panjakana ireny. Anisan’izany ny fifandaminana amin’ny lehiben’ny distrika rehefa hidina any ifotony ireo depiote.

Marihina fa tokony hahena ka harotsaka ho an’ny fanarenana fotodrafitrasa toy ny lalana ny tombontsoa mihoa-pampana atobaka amin’ireo olom-boafidy eto amintsika. Anisan’izany ny taratasin-tsolika sy ny fahana finday. Midika izany fa azo ahena koa ny isan’ireo mpanampy ny depiote na loholona. Azo adika ho fandrobana volam-bahoaka ny ankoatra izay.

 Zo. Ra.

Cet article Fivoriana tsy ara-potoan’ny depiote : hotambazana fiara 4×4 indray vao hiasa ? est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70339

Trending Articles