Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fitantanam-pirenena : tsy vonona ny filoha, hoy i Razafiarison Laza

$
0
0

« Ny tsy nahamety ny rafitra nampiasaina hatramin’izay no olan’ity firenena ity », hoy ny kandidà ho filoham-pirenena Razafiarison Laza. Nambarany aza fa tsy handeha amin’ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena raha mbola tazonina ny rafitra ara-toekarena, ara-politika ary ny fandrindra ara-piarahamonina misy eto amintsika. Tokony ho sahy hamaky ny olana ara-tany sy ny fifandanjan-kery isam-paritra ao anaty Fitondrana koa ny filoham-pirenena raha tena vonon-kitondra, hoy izy, satria isan’ny fototr’olana lehibe mampikorontana ny Malagasy ireo. Aoka hanetry tena, hiantso an’ireo efa nitondra teo alohany hanolo-tsaina azy ny filoha Rajaonarimampianina,ho mariky ny finiavana hihavana, hoy izy, fa tsy hianina fotsiny amin’ny fampihavanam-pirenenan’ireo filoham-piangonana amin’izao fotoana izao. « Mbola fanehoany ny tsy fahavononany hiantsoroka ny fitantanam-pirenena nankinin’ny vahoaka taminy ny fitsipahany ireo nanohana azy », hoy ny kandidà Razafiarison Laza.

« Famonoan-tena ara-politika ataon’ny mpitondra ny fanaovana amboletra ny fametrahana kajikajy isan-karazany hahazoana hifehy ambaratongana vondrom-bahoakam-paritra toy ny kaominina », araka ny fanazavan’i Razafiarison Laza. Fambara tokony hanaitra ny mpitondra, hoy izy, ny fifanoheran’ny andrim-panjakana isan-karazany ka andavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny volavolan-dalàna atolotry ny minisitra anatin’ny governemanta na ny Antenimieram-pirenena. « Tsy maintsy hiteraka krizy ao anaty Fitondrana ny toe-javatra toy izany », hoy izy. « Tsy ho azo antoka tahaka ny rafi-pitsarana misy ankehitriny izay hatsangana eo raha tsy voaova aloha ny rafi-pifehezana ny Fanjakana satria ho baikoin’ny mpitondra hatrany ka hanaiky ho fitaovany », araka ny hevitr’ity mpanao politika ity.

Manou

Cet article Fitantanam-pirenena : tsy vonona ny filoha, hoy i Razafiarison Laza est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles