Taorian’ny tarika Ny Railovy, i Samoëla indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny CC Esca etsy Antanimena, anio hariva. Azo lazaina ho fihaonany voalohany amin’ny mpankafy azy ity, amina toerana lehibe toy izao. Hampiavaka ny fampisehoana ny fampahafantarana ny rakikira vaovao, porofon’ny fahombiazana sy ny fivelaran’ny aingam-panahy ary ny firoboroboan’ny famoronana, indrindra eo amin’ny tontolon’ny mozika.
Hanokatra ny hetsiky ny faran’ny herinandro, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, kosa ny soradihy. Haneho an-tsehatra ny piesy noforoniny, tamin’ny taon-dasa, mitondra ny lohateny hoe “Métamorphose”, i Judith Manantenasoa, tsy zovina intsony eo amin’ity tontolon-javakanto ity. Marihina fa nandritra ny fotoam-pamoronana, tany Roubaix, no nahavitan’i Judith ity vokatra, izay maharitra 45 mn, ity.
Cet article Taraty ny kanto est apparu en premier sur NewsMada.