Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fodiamandrin’i Rida : tohina ny mpanakanto

$
0
0

   Fantatro i Rida satria naman’ny zokiko. Tohina tanteraka aho! Izaho rahateo, tia ny hiran’ny tarika Ny Railovy izay tsapako fa ahitana fahabangana ankehitriny. Ny beso mantsy no tena haingon-kira. Na izany aza, mino sy manantena aho fa hotanterahin’ny tarika Ny Railovy ilay fankalazana ny faha-60 taona amin’ny taona 2016 sy ny ho avy manaraka. Mino aho fa tsy ho tapaka hatreo akory ny maha Ny Railovy ny Ny Railovy. Anisan’ireny ny hakanton’ny fampiaraham-peo, fanolorana zavatra tena kanto, sns.

Anisan’ny nahatsiarovako an’i Rida ny hira fanevan-dRasalama Maritiora sy ny tarika Hobio izay izy no anisan’ny mpikambana tao hatrany am-boalohany.


 Tsy hitako izay ambara fa manohina ahy tanteraka ny nandrenesana ny fahafatesan’i Rida! Efa nisy fotoana nahatafaraka anay. Olona be fandeferana sy be herim-po izy. Malahelo mafy aho! Mbola tena afaka mivelatra tsara eo amin’ny fiainana i Rida. Anisan’izany ny zavakanto. Deraiko ny fahavononana narahina fahasahiana nananan’i Rida sy ny tarika Ny Railovy iray manontolo amin’ny famelomana hatrany ny tarika. Mino aho fa hitohy hatrany izany.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Cet article Fodiamandrin’i Rida : tohina ny mpanakanto est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles