Toy ny fanao isan-taona, miditra amin’ny andiany fahatelo sahady, ny 15 marsa izao, ny fifaninanana eo amin’ny taranja golf karakarain’ny orinasa Orange Madagascar nampitondraina ny anarana “The Trophy 2015”. Eny amin’ny International Golf Club eny Andakana, Ambohidratrimo no hanatanterahana ny hetsika.
Araka izany, somary niova endrika kely ny fifaninanana amin’ity indray mitoraka ity. Amin’ny fomba “scramble net” kosa no tsy maintsy hilalaovan’ireo mpandray anjara amin’ny “The Trophy 2015”. Izany hoe, mpilalao golf roa no mitambatra ho ekipa iray.
Ankoatra izay, maro ireo fifaninanana hahazoan-doka sy voalahatry ny mpikarakara amin’izany. Hisy ny fifaninanana eo amin’ny “avant dernier” sy ny “le plus long drive”, lahy sy vavy. Eo ihany koa ny “le plus près du trou”, lahy sy vavy hatrany, ny fifaninanana “putting green” ary ny fomba filalao eo amin’ny “brut”, izay mifanohitra amin’ny eo amin’ny “net” toy ny mahazatra.
Etsy andaniny, mpiara-miasa amin’ny Orange Madagascar amin’ity ‘The Trophy 2015” ity ny orinasa Air France. Maro ireo loka hozaraina amin’izany, toy ny Notebook Samsung miaraka amin’ny “modem”, “tablettes” Galaxy Samsumg, “kits de golf” Orange ary tapakilam-piaramanidina Tana-Paris-Tana sy “sac de golf” Ari France.
M.N.
Cet article Golf : hisy fifaninanana maro ny “The Trophy 2015 by Orange” est apparu en premier sur NewsMada.