Tsy nitsitsy fitenenana. “Manome 48 ora ireo mpiasan’ny fananan-tany sy ireo mpirakidraharahan’ny fitsarana manao fitokonana hiverina hiasa izahay. Tsy ny fitondram-panjakana no mizaka ny vokatry ny fitokonana ataon’izy ireo fa ny vahoaka. Zary lasa takalon’aina”, hoy ny filohan’ny Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly tamin’ny mpanao gazety teny Anosizato.
Nohitsiny fa be loatra ny fitiavan-tenan’ ireo mpiasam-panjakana nefa sahirana ny traboina. “Takinay ny Bianco mba hiditra an-tsehatra amin’ny fanadihadiana ny kolikoly ao amin’ny fananan-tany sy ny fitsarana. Be loatra ny ady tany sy ny resaka tsolotra amin’ireo “, hoy ihany izy. Nambarany fa tokony havoaka aloha ny lalàna vaovao momba ny fananan-tany vao hirosoana ny fangatahana tanim-panjakana.
Nilaza ny handeha lavitra kokoa aza ny Hafari. “Tsy hihemotra izahay. Raha ilaina aza, hidina an-dalambe ho eny amin’ny biraon’ny fananan-tany sy ny fitsarana izahay. Sahirana ny vahoaka tsy manan-tsiny mivezivezy sy tsy mahalala izao grevy izao”, hoy ny Hafari.
Synèse R.
Cet article Fananan-tany sy ny fitsarana : nanome 48 ora ireo mpitokona ny Hafari est apparu en premier sur NewsMada.