
Voasambotry ny polisin’ny BC sy ny Sag tany Maroantsetra, ny alatsinainy 9 marsa 2015 hariva teo i Bary Dominique, mpamilin’i Andry Rakotovao, iray voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana ity mpandraharaha ara-toekarena ity tany Moramanga, ny 29 janoary 2015 lasa teo.
Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, efa hatry ny ela no nikarohan’ny polisy azy, saingy matetika miovaova toerana izy. Nisy fotoana izy sy ny namany tsikaritry ny olona teny Alakamisy Fenoarivo niaraka tamin’ilay fiara 4×4 an’i Andry Rakotovao. Tafatsoaka anefa izy tamin’izay fotoana izay fa ilay kosa no hitan’ny Emmo/Reg.
Nisy fotoana izy tany Antalaha mialoha ny nandehanany tany Maroantsetra. Nanao fangala-piery tamin’ny polisy hatrany izy nandritra izay fotoana izay, kanjo izao noraisim-potsiny izao, araka ny tatitra avy amin’ny polisy hatrany.
Fiaraha-miasan’ny polisy misahana ny heloka bevava sy ny polisy misahana ny ady amin’ny jiolahy mitam-piadiana mahery ary ny kaomisarian’ny polisy ao Maroantsetra no nahafahana nisambotra an’i Bary.
Miankina amin’izao fahatrarana an’i Bary Dominique izao ny fivoaran’ny fanadihadiana mikasika ny famonoana an’i Andry Rakotovao.
Tsiahivina fa tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ireo nahavanon-doza azy tao amin’ny hotely nivantanany ao Moramanga.
I Bary rahateo no nolazain’i Andry Rakotovao fa nahavanon-doza tamin’io fotoana io.
Jean Claude
Cet article Nifampitadiavana nandritra ny 3 volana : tratra tany Maroantsetra i Bary, ilay namono an-dRakotovao Andry est apparu en premier sur NewsMada.