Olona valo nosamborin’ny GSIS tany Mananara Avaratra, voalaza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana sy fandorana olona. Izany hoe, ireo olona tompon’antoka tamin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka izany. Olona mipetraka ao Mananara ihany ireto, izay 53 taona ny zokiny indrindra ary 18 taona ny zandriny, nahitana vehivavy iray. Efa natolotra ny fampanoavana any an-toerana izy ireo, ary naiditra am-ponja vonjimaika. Voalaza fa nisy sivy hafa saika novonoin’ny olona tao amin’ny fonjan’i Mananara Avaratra. Nafindra any amin’ny fonjan’i Toamasina avokoa ireo olona ireo. Milamindamina ny any an-toerana taorian’ny fisamborana nataon’ny GSIS.
↧