Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Besarety : tovolahy iray tsy nahatsiaro tena nihotsahan’ny trano

$
0
0
Trano rava Besarety 11 mars

Trano iray indray ny nirodana teny Besarety. Soa ihany fa tsy namoizana ain’olona. Na izany aza, tovolahy iray tototry ny trano.

Mbola manaraka fitsaboana, ary tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy iray, nianjeran’ny trano, teny Besarety, omaly, hatramin’ny ora nanoratanay. Trano biriky misy rihana no nianjera teny Besarety, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Mpiandry Cyber, izay ao ambany rihana izy roa lahy ireo. Tao anaty orambe tsy nijanona hatramin’ny omaly hariva no niseho ny loza. Naheno ny fitriaran’ny trano izy roa lahy ary samy niezaka nanavotra aina. Tafavoaka soa aman-tsara ny iray, raha taraiky kosa ny namany. Nihotsahan’ny trano tao izy io. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nanao ny asa famonjena nisokitra ilay taraiky nozeran’ny trano. Tsara vintana fa avotra soa aman-tsara izy, na nahita ratra aza. Na izany aza, torana tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy ka nalefa teny amin’ny hopitaly. Tsy nirodana hatramin’ny farany ilay trano fa ny rihana ambony no tena nihotsaka. Tsy maintsy nirosoana anefa ny fanjerana ny trano rehetra.

Nahitana trano nirodana ihany koa teny Nanisana, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Tao anaty orana ihany koa izany, saingy efa mailo ny rehetra ka tafavoaka mialoha ny nirodanan’ny trano ny mpianakavy. Toy izany koa teny Antsahakely, omaly ihany koa io. Voalaza fa nisy olona iray taraiky tamin’izany, ary namoy ny ainy izy io.

Yves S.

Cet article Besarety : tovolahy iray tsy nahatsiaro tena nihotsahan’ny trano est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles