Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Ankoatra ny tsy fahampian’ny tranolay sy sakafo : traboina 1.143 tratran’ny aretin’ny taovam-pisehoana

$
0
0

 Fahoriana miampy fahoriana ny an’ireo traboina maro eto Antananarivo-Renivohitra. Ankoatra ny tsy fahampian’ny tranolay, ny olana ara-tsakafo… manampy trotraka koa ny lafiny fahasalamana. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny minisiteran’ny fahasalamana, miara-miasa amin’ny BNGRC, mahatratra 1.143 ireo traboina tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny olon-dehibe, mitondra faisana ny zazakely sy ny ankizy.

Ahitana marary be indrindra amin’ny toeram-pandraisana ny traboina mahatratra 50 ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra misahana traboina 49 488, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka (sureca) ao amin’ny Cluster miara-miasa amin’ny BNGRC, Andrianarisaina Benalisoa, omaly teny Ambohidahy.

90 ny toeram-pandraisana ny traboina eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano. Misy mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny traboina tsy tapaka eny an-toerana miaraka amin’ny fanafody maimaimpoana. Nanome fanafody mitentina 30 tapitrisa Ar rahateo ny foibe mpividy fanafody fototra sy fitaovam-pitsaboana eto Madagasikara (Salama).

Mihoatra ny isan’ny trangana bronchiolite miseho amin’ny vanim-potoana tahaka izao isan-taona no hita ankehitriny. Niantso ny Institut Pasteur de Madagascar ny minisitera hijery ny antony nampirongatra izany sy hamantatra ny karazana « virus » miteraka ny aretina.

Ankoatra izay, napetraka ny vaomiera ahitana teknisianina ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mandrindra ny paikady hanangonam-baovao sy mitondra ny vahaolana haingana momba ny olana ara-pahasalamana. Afaka manatona eny an-toerana ireo rehetra mila vaovao momba ny fahasalaman’ny traboina.

Vonjy

Cet article Ankoatra ny tsy fahampian’ny tranolay sy sakafo : traboina 1.143 tratran’ny aretin’ny taovam-pisehoana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles