
Raha tsy ny basy nirefodrefotra nataon’ny polisy, tsy niparitaka ireo olona marobe nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireo telo lahy voasambotra tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana tovovavy 25 taona iray, tany Antsirabe.
Nandritra ny fotoana nitondra azy telo lahy teny amin’ny fitsarana no niandrasan’ny olona azy telo lahy. Nitangorona ireo fokonolona teo anoloan’ny tribonaly Antsirabe ary nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireo nahavanon-doza. Nitabataba tsy nanaiky mihitsy ireo mpitaky fitsaram-bahaoaka, ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy nanaparitahana ny olona. Nilamina ihany ny toe-draharaha, ary naiditra am-ponja vonjimaika izy telo lahy.
Raha tsiahivina, ny alahady alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, niara-nisotrosotro izy telo lahy, ary niaraka tamin’ny vehivavy iray 25 taona. Araka ny fanazavana nomen’ny kaomisera Damy Talily sy ny kaomisera Rafalimanana Alain, lasa nivoaka ny efitrano fisotroana ilay tovolahy sy tovovavy nifankahafantatra, ary nanao ny filan-dratsiny tao amin’ny trano hazo fivarotana amin’ny antoandro. Nanaraka ihany koa izy roa lahy, ary nikasa hifandimby hanolana ilay tovovavy, izay tsy nanaiky. Tsy namelan’izy ireo anefa raha tsy afa-po izy telo lahy satria nanaovan’izy ireo amboletra ary novonoina ilay vehivavy avy eo. Tsy vitan’izany fa natsentsin’izy ireo tao anaty tatatra ny fatiny. Tamin’ny alalan’ny camera ny miafina nahitana ny namono, ka noraisim-potsiny izy ireo.
Jeannot R. sy Yves S.
Cet article Fanolanana sy famonoana tovovavy : nirefotra ny basy vao niparitaka ireo mpitaky fitsaram-bahoaka est apparu en premier sur NewsMada.