Nirefodrefotra ny basy. 14 lahy nirongo Kalachnikov no niaraka nanatanteraka ny fanafihana tao Mandialaza Moramanga ny talata lasa teo. Trano maromaro no voatafika nandritra izany ka isan’izany ny toeram-pampindramam-bola Otiv.Mitotaly hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary mahery ny vola najifan’ireo mpanafika nandritra izany.
Tao amin’ilay Otiv no namantana voalohany ireto jiolahy. Maty paika sy tsara lamina tanteraka ny paik’ady nampiasan’izy ireo tamin’izany. Rehefa tafiditra an-keriny tao an-trano ireto olon-dratsy avy hatrany dia ny fitoeram-bola no novakian’izy ireo. Lasa tamin’izany avokoa ny vola tarihy rehetra tavela tao izay mitentina 1.021.180 ariary.
Tsy nihonona tamin’izay anefa izy ireo fa lasa nifindra tao amin’ny toeram-pivarotana izay tsy lavitra ny misy ny biraon’ny Otiv. An-keriny hatrany no voalaza fa nidiran’izy 14 lahy tao an-trano rehefa voapitsoka avy ivelany ny varavarana. Araka ny fitantaran’ireo lasibatra dia nambanany tamin’ny basy ny iray trano mba tsy hisy hihetsika na hiantso vonjy. Notereny hamoaka vola avy eo. Vola mitentina 2.000.000 ariary indray no lasan’ireo jiolahy tao amin’ity mpivarotra ity. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy na ny naratra fa rehefa nahazo izay nilainy ry zalahy dia vaky nandositra.
Roalahy voasambotra
Minitra vitsy taorian’ny fanafihana dia tonga nijery ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana. Taim-bala miisa telo no hitan’izy ireo nandritra ny fisafoana ny manodidina. Tsy nijanona teo anefa ny fanadihadiana fa nitohy hatrany. Ny ampitson’io dia fantatra fa roalahy izay isan’ny voantonona ho nandray anjara tamin’ity fanafihana ity no voasambotra. Ny iray tamin’ireto tra-tehaka dia nilaza ho mpitandrina ao amina fiangonana zandriny iray ao an-tanana raha mpiambina tao amin’ity Otiv ity ihany kosa ny faharoa. Eo am-pikarohana ny namany kosa ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.
Tiavina
Cet article Moramanga : voaroba ny vola 3 tapitrisa ariary est apparu en premier sur NewsMada.