Raha tsy mailo ny mpitandro filaminana nitondra azy niala ny tanàna, saika niharan’ny fitsram-bahoaka ny lehilahy iray voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana indroa miantaona nahafahafatesana olona roa. Tao an-tanànan’Ilakaka no niseho izany omaly.
Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, maty nisy namono ny vehivavy iray tamin’ny alin’ny zoma. Ny ampitso, lehilahy iray tompon’ny trano fandraisam-bahiny indray no maty tamin’ny fanafihana ny tranony. Nalahelo sy niakatrafo ny mponina ka raha vao reny fa voasambotra omaly ny lehilahy iray heverina fa tao ambadiky ny famonoana, nirohotra namonjy ny biraon’ny zandary izy ireo. Raikitra avy hatrany ny tsipaipaika nividianana lasantsy handoroana velona ilay lehilahy voarohirohy. Vao nandre izany anefa ny zandary dia nitondra ity farany niala ny tanàna. Voasoroka ny fitsram-bahoaka saingy hatramin’ny omaly antoandro, mbola nafampana ny tao Ilakaka.
Mparany
Cet article Ilakaka : lehilahy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka est apparu en premier sur NewsMada.