Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70758

Fampiharana ny lalàna : sahirana ny mpanara-maso ifotony

$
0
0

Mampanahirana ireo tompon’andraiki-panjakana any amin’ny faritra ny « tena fampiharana ny lalàna » sy ny andraikitra raisin’izy ireo. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny asan’ny orinasa na ny mpandraharaha mahazo ny tsenambaro-panjakana.

Singanina amin’izany ary hitan’ny vahoaka ny fanamboarana ny tetezana vonjimaika ao Manakara, satria tapaka ny tetezamby lehibe, vokatry ny loza voajanahary. Raha ny antontam-baovao voaray, nidangana nahatratra 1,4 tapitrisa Ar ny sora-bola nolazaina fa fametrahana ny fitaovana hiasana, izay tsy araka ny tokony ho izy, ka nampidinina ho 4 hetsy Ar , taorian’ny fanadihadiana sy ny fanamarihana natao. Tsy mbola vita araka ny tokony ho izy ny asa, nefa raha ny re, efa nomena ny mpanao ny asa ny vola, na tsy mbola natao aza ny fandraisana ara-teknika sy ny fampahafantarana ny fahavitan’ny asa (reception).

Tranga tsikaritra any Vatovavy Fitovinany koa ny fanamparam-pahefana sy ny mety ho endriky ny kolikoly avo lenta amin’ity lafiny tsenambaro-panjakana ity. Tsy voahaja ny bokin’andraikitra, na tsy natao mihitsy. Toy ny famatsiana dabilion-tsekoly miisa 17  tany amin’ny fari-piadidiam-pampiarana tany amin’ny distrika Ikongo, ny jolay 2005, nefa tsy nataon’ny orinasa iray mihitsy. Tao koa ny hetra manodidina ny 8 tapitrisa Ar tsy voaloan’ilay orinasa. Taty aoriana, tsy nahazo karatra maha matihanina ilay orinasa, satria tsy naloany ny hetrany.

Tsindry sy fandrahonana

Misy ny tsindry an’ireo mpanara-masom-panjakana ka tonga hatrany amin’ny fitsarana mangataka ny fanalana azy ireo. Raha ny antontan-taratasy voaray, tsikaritra ny hosoka, ny  fangalaran-tsonia. Misy ny fijoroana vavolombelona, mandiso izany, ka nanao taratasy ampahibemaso ny valo tamin’ireo 19 voasoratra ao anatin’ny fanambarana, ary nisy koa anefa ny tsy afaka naneho hevitra, noho ny tsindry amin’ny endriny maro samihafa.

Fomba hafa ataon’ilay mpandraharaha indray ny mindrana karatra an’ny mpandraharaha hafa, saingy tsy natoky azy intsony koa ireto farany, satria tsy mahavita ny fifanarahana araka ny efa voalaza etsy ambony.

Mandeha, araka izany, ny fandrahonana ny tompon’andraiki-panjakana manao ny asany, nefa miaro ny fiarovana ny fitantanam-bolam-panjakana araka ny tena izy. Tsiahivina anefa fa manara-maso ny tranga ifotony toy izao ny mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’ny fitantanam-bolam-panjakana tena izy.

Njaka A.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70758

Trending Articles