Malaza ratsy ny lalankely eny Ambohitsoa, aza mba tratra hariva mandeha irery eny ihany ny andriambavilanitra. Fantatra fa misy mpanararaotra ny fahanginana, manendaka maina izao no mandaroka izay tratrany, ary raha vehivavy dia aholany tsy am-pisalasalana ary ampijalijaliany sy vetavetaina mandrapalemilemy na mandrapahafaty mihitsy izay sendra azy. Tsy voalaza ny isan’ireo niharan’izany loza izany na ny isan’ireo maty noho ny hetraketraka feno habibiana. Nisy mihitsy ny vehivavy namoy ny ainy, tsy nisy moa ny resaka momba izany raha tsy izao efa nidoboka eny am-ponja izao ny jiolahy roalahy izay ahiahiana ho nahavita ireo heloka bevava dia fanolanana sy famonoana olona. Sendran’ny vehivavy mafy aina ka tonga ilay fotoana itakiana amin’ireto olon-dratsy ny setrin’ny heloka nataony. Rehefa tofoka ka mamon’ny fanaranampo angamba izy roalahy dia nilaozany teo ilay olona novetavetainy noheveriny efa miala aina. Asa na azo lazaina hoe tao anatin’ny loza dia vintana ho an’ilay vehivavy no tsy maty, ho an’ireto tsy mataho-tody kosa dia haratsiam-bintana ho azy ny mbola nandresen’ilay olona ny fahafatesana. Rehefa niverina ny tanjany sy ny sainy dia voatanisany antsipirihany ny mombamomba ireo roalahy nampizaka azy fijaliana sy fahoriana. Vita teo ny amin’ireto faikany ireto, na izany aza mbola tsy mandry ny sain’ny mponina. Misy ireo mbola mametraka ahiahy, ity hono ka tsy ireto roalahy ireto ihany no andiana mpanendaka sy mpanolana ary mpamono olona. Hevitra mampikorontan-tsaina ny vahoaka fotsiny izany hoy ny tompon’andraikitra, tompon’andraikitrin’ny inona moa? Fandriampahalemana ve? Io efa iainana isan’andro io, toy ny tany tsy misy fanjakana intsony, tsy misy mpiahy ny mponina!
Tsy ny pôlisy sy ny zandary no tsy ampy, ny adidy apetraka aminy sy ny iraka ampanaovina azy no na tsy mazava na tsy mitombina. Ny fiarovana ny fitondrana sy ny mpanana no atao laharana voalohany mahamehana. Aiza ireto hery aderadera raha injay maneno ny filazana fikasana na ampahan’ny mponina hanao filaharana am-pilaminana. Tsy ho resahana eto indray moa ireo hery mpanatanteraka iraka tsy misy vokatra satria tsy tsara fototra fa toy ny fanaovana fotsiny ramatahora. Manome vahana ireo mpitanty fotsiny manantena kitapo latsaka sy voankazo mianjera ho azy. Misy aza ireo efa tsindrin-daona ka sahy miteny mivantana hoe, “mialà!”.
Léo Raz