Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793

Tetikasa Casef – 53 tapitrisa dolara : mahita ireo olana iainan’ny tantsaha ny vahiny

$
0
0
Casef 0904

Mahita ireo olana iainan’ny tantsaha malagasy sy ny mahakasika ny fambolena ny mpamatsy vola. Nanome vola 53 tapitrisa dolara na 160 miliara Ar ho an’ity sehatra ity ny Banky iraisam-pirenena. Vita, omaly, ny sonia momba izany teo amin’ny mpamatsy vola sy ny governemanta malagasy, Rtoa Coralie Gevers, Country Manager ao amin’ny BM sy ny minisitra Rakotoarimanana Gervais, niara-nanao sonia. Famatsiam-bola ho an’ny tetikasa Casef (Croissance agricole et sécurisation foncière), atao indrindra hanosehana ny tantsaha hampitombo ny vokatra sy hivarotra izany any ivelany, miaraka amin’ny fiarovana ny fananan-tany ho antoka ho azy ireo sy ho an’izay hampiasa vola amin’ity sehatra ity.

Tsy takona afenina ny karazam-bokatra azo ampitomboina, tsy ho an’ny tsena eto an-toerana ihany fa ho an’ny tsena any ivelany. Miainga avy amin’io Casef io ihany ny hanampiana ny tantsaha hahita famatsiam-bola azo antoka, hamolavolany tetikasa maharitra sy lavitra ezaka. Manahirana ny tantsaha, hatramin’izao, ny mahita famatsiam-bola hoentina hanatsarana ny asa. Betsaka amin’izy ireo ny mahalala ny tokony hatao amin’ny fanavaozana ny masomboly, fikokajokajana ny tany, fampiasana fitaovana ilaina ho an’ny fambolena, sns. Saingy ny vola hoenti-manao izany no tsy misy na sarotra ny mahazo azy na eo aza ireo sampana mpamatsy vola tonga any ambanivohitra.

Azo hanampiana io tetikasa Casef io ireo vidin’ny andramena naondrana an-tsokosoko, izay mbola mitentina antapitrisany dolara maro. Betsaka ny fidiram-bola avy eto an-toerana azo hanatevenana tsara ny tetibolan’ny fambolena sy ny fiompiana, saingy hafa ny politika.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793