
Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpilatsaka an-tsitrapo 20 mahery nahavita be tao amin’ny Croix rouge Malagasy (CRM) tamin’iny taona 2014 iny. Mpilatsaka an-tsitrapo nahavita be teo amin’ny fandaharanasa momba ny tanora ny valo tamin’izy ireo. Mpanofana eo amin’ny sehatry ny vonjy voina kosa ? ny 14.
Niantsehatra betsaka tamin’ny hetsika momba ny tanora natao tamin’iny taona iny ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. « Nantsoina andro dia tonga, nantsoina alina dia tonga ka mendrika ny fankasitrahana», hoy ny tompon’andraikitry ny vonjy voina, Rasolomalala Nambinina.
Naneho ny fahavononany tamin’ny asa nilana azy avokoa izy ireo. Nitondra avo ny lentan’ny CRM tamin’ny sehatra rehetra niasany. Anisan’ny mpanofana vonjy aina nahazo fankasitrahana Randrialalao Nantenaina Prisca. “Tsy mila tambiny ny vonjy aina fa fahafaham-po anaty no hanaovana izany”, hoy izy.
Nahomby ny tetikasa varotra ireo kojakoja ho an’ny vonjy aina teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra. Nilaina ny fahaizan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa matihanina amin’izany hahafahana mizara ny traIkefa amin’ny hafa.
“Rariny raha nankasitrahana manokana izy ireo ho fampaherezana azy amin’ny asa masina hataony eo amin’ny asa an-tsitrapo eo amin’ity sehatry ny vonjy aina ity”, hoy ny sekretera jeneralin’ny CRM, Ratsimbazafy Fanja.
Tatiana A
Cet article Mpilatsaka an-tsitrapo : nankasitrahana ireo mendrika est apparu en premier sur NewsMada.