Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Na avy aza ny orana : fay rano ny teny Ambohibao, Ambohimanarina…

$
0
0

Nanomboka ny alarobia teo hatry ny omaly, tapaka avokoa ny rano teny Ambohibao sy Ambatolampy ary hatreny Ambohimanarina iny. Tampoka tamin’ny mponina izany satria tsy nisy ny filazana avy amin’ny Jirama.

Tsy fahita mihintsy anefa ny fahatapahan-drano eny amin’ireo faritra ireo rehefa fahavaratra. Tsy fantatra ny antony ary tsy manome fanazavana rahateo ny tompon’andraikitra fa manao fay rano ny mponina tsotra izao.

Nitaty ranon’orana no hany herin’ny isan-tokantrano. Io no notsitsitsitsiana nandrahoan-kanina natao nahavita ny filana tao an-tokantrano. Na izany aza, tsy naharaka ny ranon’orana satria tsy dia betsaka ny rotsak’orana nandritra ny alarobia sy alakamisy teo.

Anisan’ny mijaly rano kosa ireo toerana ireo rehefa maina ny andro. Amin’ny alina vao manangon-drano sy milahatra eny amin’ny paompin-drano ny mponina. Tsy mbola misy ny vahaolana hatramin’izao. Toy ny antso an’efitra ihany koa ny fitarainan’ny mponina amin’ny tompon’andraikitra.

Tsilo

Cet article Na avy aza ny orana : fay rano ny teny Ambohibao, Ambohimanarina… est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles