
Miteraka resabe eny amin’ny fiarahamonina sy amin’ny haino aman-jery ny valanaretin-kibo miseho eto Antananarivo izay noporofoin’ny BMH ny alakamisy teo. “Tsy misy afa-tsy ny fahadiovan’ny sakafo sy ny fitaovana rehetra ampiasaina momba ny sakafo no hahafahana misoroka ny aretin-kibo”, hoy ny dokotera Randria, nitondra ny fanazavana.
Mila mailo amin’ny karazana loto na mikraoba tsy ampoizina tafiditra any am-bava ka mahatonga ny aretina. Tokony ho sakafo masaka tsara no hohanina. Rano nampangotrahina no sotroina. Sasana tsara ny voankazo sy ny legioma vao hanina. Mampiasa akora famonoana mikraoba mihitsy raha azo atao amin’ny fanadiovana izany.
Kobanina amin’ny rano voadio tsara ny fitaovam-pihinana sy ny kojakoja ampiasaina amin’ny fahandroan-tsakafo mba hahafaty tanteraka ny mikraoba.
Fadina indrindra ny mihinana sakafo masaka eny amoron-dalana satria tsy azo antoka ny fahadiovan’izy ireny. Tandremana ny ankizy amin’ny “gouter” any am-pianarana mba tsy hihinana sakafo masaka tsy madio na tsy voaaro amin’ny lalitra sy ny vovoka. Raha mahavita, sakafo vita avy any an-trano ihany no hohanin’ireo mpianatra na mpiasa tsy afaka mody amin’ny antoandro. Hatao izany hisorohana amin’ny mety ho fanapozinana ara-tsakafo sy fitandremana amin’ny sakafo ratsy karakara ka miteraka aretina.
Ho an’ireo mitaiza kely, mila mitandrina fatratra amin’ny fahadiovan’ny fitaovana rehetra ampiasaina sy ny sakafon-jaza. Marefo ny zaza sy ny ankizy latsaky ny 5 taona ka mety hahafaty ny aretim-pivalanana tsy voavonjy ara-potoana.
Mila sasana matetika ny tanan-jaza mba tsy hitondra loto any am-bavany. Tsy miandry ela fa manatona dokotera avy hatrany raha vao misy tranga mampiahiahy fa tsy andrasana ho reraka ny marary.
Tatiana A