Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Seranan-tsambon’ i Toamasina : 300 tapitrisa euros ho fanitarana

$
0
0

 Hifarana ny volana marsa ho avy izao ny fotoana fanatanterahana ny fanadihadiana fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, tetikasa iarahana amin’ny Japoney amin’ny alalan’ny Jica. Heverina hatomboka ny fiandohan’ny taona 2016 ny asa, mitentina 300 tapitrisa euros ary hanaovana tolotrasa iraisam-pirenena. Amin’ny taona 2020, tokony ho vita ny faritra vaovao fametrahana kaontenera haorina eny ambonin’ny ranomasina, manana velarana 8 ha ; ny taona 2023 kosa tokony ho famaranana ny asa rehetra.

Fantatra izany nandritra ny fivoriana fakan-kevitra natao farany, nandinihana izay mety ho fiantraikan’ny asa eo amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Momba izay fotodrafitrasa izay indrindra, nanipika mazava ny PDS-n’i Toamasina, Toalina Zafindrabary, fa tsara raha tokony hisy ny fanamboaran-dalana vaovao manoloana ny fivezivezen’ny fiara vaventy hitatitra ny fitaovana.

Ho fiarovana ny zavaboary, tsy vitsy kosa ireo mametraka ahiahy amin’izay mety hahafaty tanteraka ireo karazana corail sy karazan-trondro efa ahina ho lany tanteraka. Ireo karazan-trondro ireo, miaina eny amin’ny récif. Ny asa fanitarana anefa, hanosika izany sy ho sakana amin’ny jono nentim-paharazana. Mety ho fiantraikan’ity asa fanitarana ity koa ny hitarika kotaba eo akaikin’ny hopitalibe.

Santionany amin’ny ahiahin’ny mpivory fotsiny ireo. Nanambara anefa ny eo anivon’ny seranan-tsambo fa raha tiana hisondrotra ny toekarem-pirenena, tsy maintsy hatao ny asa nefa tsy maintsy hitadiavana vahaolana ireo rehetra ireo mba tsy hisy fiantraikany be loatra.

Sajo    

Cet article Seranan-tsambon’ i Toamasina : 300 tapitrisa euros ho fanitarana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles