Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Mitohy ny fitakiana : tsy hiasa ny sendikàn’ny fananan-tany, anio

$
0
0
Sendika 2702

Nanao fivoriambe ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny fananan-tany, omaly maraina tetsy amin’ny biraon’ny fananan-tany Anosy. Fantatra fa manao hetsika ao anatin’ny toera-piasany izy ireo anio, ka tsy handray ireo manan-draharaha.

Takin’ireo sendikà telo (SIDPFM, SCDM, SARDM) ny hampitsarahan’ny fanjakana ny fampihantonana fanindroany ny fangatahana tanim-panjakana. Nilaza ny anisan’ny mpitarika iray amin’ireo sendikà, Andriamahenina Jean Emmanuel, fa tsy avela hangataka tany ny Malagasy. Etsy ankilany anefa, afaka mahazo tany ny mpampiasa vola vahiny. Matetika koa ny samy Malagasy ihany no tena miady tany raha toa ka voaaro tsara ny an’ny vahiny. Farafaharatsiny, tokony hotohizana ny fikarakarana ireo efa nangataka aloha, izany hoe ireo efa nampiditra antonta-taratasy.

Mikasika ny famolavolana ny fanavaozana ny fananan-tany, nambaran’ireo sendikà ireo fa tsy mba nalaina ny hevitr’izy ireo amin’ny maha teknisianina, indrindra ny avy any amin’ny faritra. « Toa raisina toy ny mpanatanteraka izahay fa tsy mpamolavola », hoy Andriamahenina Jean-Emmanuel. Takin’ireto mpiasa ireto koa ny hijeren’ny fanjakana ny sata manokana mifehy azy.

Nahazo fandrahonana, lazaina fa mpanongam-panjakana

Nasehon’ireo sendikà ny mpanao gazety koa ny fandrahonana avy amin’ny sms azon’izy ireo. Lahatsoratra manambara fa «… fantatray ianareo mpitarika fitokonana, …tsy handefitra amin’ny fanakorontanana ny fanjakana,… », « hampanao fanaraha-maso ireo mpiasa tsy ao am-piasana ny fanjakana, …. », « fantatray daholo ianareo lehiben’ny fananan-tany avy any amin’ny faritra, …. tsy handefitra amin’ny fandikàn-dalàna ny fanjakana,… ».

Niray feo ireo mpikambana ao anaty sendikà manoloana izany, nilazany hoe « atsaharo ny fampihorohoana anay mpiasan’ny fananan-tany ».

Randria

Cet article Mitohy ny fitakiana : tsy hiasa ny sendikàn’ny fananan-tany, anio est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70318

Trending Articles