Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70616

Fifandraisana amin’i Maorisy : hapetraka any Ehoala ny ZES

$
0
0
Maorisy

Vita sonia, omaly amin’ny fandalovan’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny delegasiona notarihiny atsy amin’ny Nosy Maorisy, ny hametrahana ny  faritra ara-toerakarena manokana (ZES) any amin’ny « Parc Ehoala », Taolagnaro. Hanorenana fotodrafitrasa lehibe sy goavana samihafa, toy ny orinasa ary koa hanomezana vahana ny fizahantany any amin’iny faritra iny izao tetikasa iarahana amin-dry zareo Maorisianina izao. Eo ny tranom-piantohana, ny banky, ny orinasa ho an’ny fanadiovana lamba sy ny lafiny informatika, ny fanodinana ny hazan-dranomasina… Hiteraka asa sy hitondra fampandrosoana any amin’iny faritra iny avokoa izany rehetra izany. « Nomanina tao anatin’ny herintaona izao fifanarahana fiaraha-miasa izao », hoy ny minisi-panjakana, Rakotovao Rivo sy ny minisitra Atallah Béatrice, notronin’ny filoha Rajaonarimampianina, tamin’ny fanaovan-tsonia izany.

Hitohy anio amin’ny fanatrehan’ny filoha Rajaonarimampianina ny faha-48 taona nahazoan’ny Nosy Maorisy ny Fahaleovantena, izany.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70616

Trending Articles