Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70600

Depiote A. Nantenaina : «Ilain’ny any Mandoto ny USAD »

$
0
0
Mandoto

Tokony hapetraka ao Mandoto ihany koa ny vondron-tafika manokana iadiana amin’ny dahalo (USAD) manoloana ny firongatry ny asan-dahalo efa hatry ny ela ”, hoy ny depiote Andriamboavonjy Nantenaina, omaly teny Tsimbazaza.  Nohitsiny fa malemy ny fitondram-panjakana, tsy mijery ny sosialim-bahoaka ka zary lasa tompon’ny tanàna sy manao ny lalàna ny olon-dratsy sy ny jiolahy.

Notsiahiviny fa faritra mena nanjakan’ny asan-dahalo ny tapany afovoan’ny andrefan’ny Nosy iny. Tao anatin’ny iray volana, tsy latsaky ny folo raha kely indrindra ny trangam-panafihan-dahalo mirongo basy mahery vaika tany  Mandoto. « Tsy hita avokoa ny ankamaroan’ireo omby very. Tsy ahitam-panafana ny asan-dahalo ka mampandry andriran’antsy ny vahoaka… Tokony haparitaka amin’ireo faritra mena manerana ny Nosy ny USAD ka anisan’izany ny ao amin’ny distrikan’i Mandoto ”, hoy ihany izy.

Nambarany koa fa mila ampitomboana isa sy tohanana eo amin’ny lafiny fitaovana ny mpitandro filaminana. Na izany aza, manana vahaolana fanampiny koa ny any Mandoto. « Eo ny fametrahana ny dina ho fanamafisana ny dinan’i Vakinakaratra. Tsy mahafehy ireo distrika maro midadasika ao amin’ny faritra izany, noho ny tsy fahampian’ny fanentanana. Olana koa ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy ny fitomboan’isan’ireo tanora tsy an’asa », hoy izy.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70600

Trending Articles