
Raikitra indray ny gidragidra tao amin’ny Fakiolten’ny siansa ao amin’ny oniversite Andrainjato Fianarantsoa, afakomaly. Nokorontanin’izy ireo ny fanadinan’ny mpianatra tao an-toerana…
Mpianatra miisa fito lahy indray nanakorontana ny fanadinan’ny mpianatra tao an-toerana. Tsy namelan’izy ireo fa navoakany ny latabatra, ny seza ary norovitina ihany koa ny lisitry ny mpianatra sady nitsoka kiririoka manoloana ny efitrano nanaovana ny fanadinana izy ireo. Niatrana teny an-toerana avy hatrany ny Emmo/Reg hiambina ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy nisahana ny fiambenana ireo ao amin’ny fakiolten’ny siansa. Nisy ny fepetra noraisaina tamin’ny alalan’ny fivoriana niarahana tamin’ny Sojabe sy ny tompon’andraikitra misahana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra niaraka tamin’ny mpampianatra ary ny zandary. Notinapaka tamin’izany fa mitohy ny fanadinana, omaly ary nandraisana fepetra ny lehiben’ny mpitarika ny fitokonana.
Nidina teny an-toerana hatrany ny Emmo/Reg, omaly maraina nijery sy nanara-maso ny mety ho fihoaram-pefy ataon’ireo mpitokona.
Olana saro-bahana ny tontolon’ny fampianarana ambony. Tsy vao izao izany fa efa hatramin’izay. Mandalo fotoan-tsarotra hatrany ny tontolon’ny fampianarana ambony ary mifandimbidimby ny fihetsiketsehana ataon’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Zary lasa ialokalofan’ireo mpijapy sy miandry kendry tohina amin’ny raharaha toy izao aza izany indraindray. Vahaolana maharitra fa tsy vonjy tavanandro, araka izany, no andrasana amin’ny tompon’andraikitra.
J.C