
Hatramin’izao, mitohy hatrany ny fanondranana andramena an-tsokosoko.Fantatra ny mpanao izany fa ilàna porofo, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco.
« Ny tena mpanao kolikoly amin’ny fanondrana an-tsokosoko andramena, angamba, tsy misy tsy mahafantatra. Fantatsika hoe iza no tena mpanao an’io. Ny zavatra tokony ho fantatsika: ahoana àry ny fomba hahasamborana ireo olona ireo? »
Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean-Louis, tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly, tao anatin’ny atrikasa fandrafetana ny tetikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly amin’ny folo taona manaraka, 2015-2025.
Raha hosamborina ireo mpanondrana andramena an-tsokosoko, tsy maintsy misy antontan-taratasy matanjaka aloha: porofo matanjaka hoentin’ny mpanao famotorana mitondra azy eny amin’ny fitsarana.
Raha tsy matanjaka izany porofo izany, tsy ara-dalàna ary ho rava ho azy. Eo no mila fanadihadiana lalina tokony hatao, araka ny fanazavany. Eo am-panaovana izany ny Bianco amin’izao fotoana izao. « Misy farany ny zava-drehetra, fa tsy hoe hitohy eo foana io… Eo am-panaovana famotorana izahay », hoy izy.
Hisy fanitsiana ny fitsarana momba ny raharaha kolikoly
Hohatsaraina ny fitsarana momba ny raharaha kolikoly mba hahitam-bokatra kokoa sy hananany fahaleovantena kokoa. Hahafahany manao ny asany izany. Izay ny anisan’ny ao amin’ny tetikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, araka ny nambarany.
Eo ny famaritana ny sehatra maika tokony hanaovana ny ady amin’ny kolikoly mba hahitan’ny firenena vokatra haingana eo amin’ny lafiny toekarena, ohatra.
Mila fandrindrana koa ny fametrahana ny fanambaram-pananana, fa samy mandray izany ny HCC sy ny Bianco. Rehefa tafapetraka ny fanambaram-pananana: mila hamarinina sa tsia?
Lohalaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fitsarana
Manao ho vaindohan-draharaha amin’ny ady amin’ny kolikoly ny minisitera rehetra. Anisan’ny mpitarika izay ny eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, fa be ny fanakianana momba ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Noëline.
Hatramin’ny taona 2004 no efa nisy ny fandaharanasa iadiana amin’ny kolikoly. Nohamafisina izany amin’izao fotoana izao. Raha natao ny fanadihadiana momba ny fidirana ho mpitsara sy mpirakidraharaha, ohatra, hita taratra ny ezaky ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly: izay tena mahay no afa-panadinana.
R.Nd.
Cet article Tale jeneralin’ny Bianco : « Fantatra ny mpanondrana andramena fa ilàna porofo » est apparu en premier sur NewsMada.