Noraisin’ny minisitry ny Harena stratejika sy ny solika, Lalaharisaina Joeli Valérien, ny delegasiona notarihin’ny ambasadaoro frantsay miasa eto amintsika, Sem. François Goldblatt, ny talata teo teny Ampandrianomby. Maro ny fifampidinihana, indrindra amin’izao famolavolana hanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika izao.
Ho an’ny ambasadaoro frantsay, anisan’ny nahaliana azy ny mikasika ny lasitra hifehy ity lalàna ity. Eo koa, ny tsy tokony hikitihina intsony ny fifanarahana efa vita tany aloha, ary efa nohamafisin’ny minisitra fa tsy ovaina izany. Tian’i Frantsa fantarina tsara koa ny antoka sy ny fiarovana ny mpampiasa vola vahiny (IDE), ny dingana samihafa arahina amin’ny fangatahana fizahana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy/na ny solika.
Handresy lahatra ireo mpandraharaha frantsay
Anisan’ny nampiahiahy ny mpandraharaha frantsay ny fangatahana fahazoan-dalana. Misy amin’ny mpandraharaha sasany mahazo fahazoan-dalana, saingy tsy ampiasainy akory, fa amidiny lafo amin’ny hafa mba hakana tombony.
Nahafa-po ity masoivoho frantsay ity ny valitenin’ny minisitra, ka afaka mandresy lahatra ireo mpandraharaha frantsay ho avy aty Madagasikara ny mpitondra any Frantsa. Tanjona roa tonta ny hanatsarana bebe kokoa ity sehatra ity.
Njaka A.
Cet article Harena an-kibon’ny tany : miandrandra antoka ho an’ny fampiasam-bola i Frantsa est apparu en premier sur NewsMada.