Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Mbola hiharatsy ny andro ? : hanahirana ny famatsiam-bary amin’ity taona ity

$
0
0

Iaraha-mahita fa tena mafy ny rotsak’orana tamin’ity fotoam-pahavaratra ity. Vokany, tsy maintsy hiantraika any amin’ny fambolem-bary izany, miafara any amin’ny famatsiana ho an’ny malagasy iray manontolo.

Na tsy mbola ofisialy aza, misy ny loharanom-baovao nahafantarana fa vao mainka ho mafy ny rotsak’orana amin’ny volana marsa ho avy izao, raha oharina ny teo aloha. Vinavina ihany izany, saingy fanao ny miomana mba tsy ho tratry ny antambo. Samy nahatsapa ny rehetra fa mafy sady natetika ny fiavin’ny orana, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2015 teo, ka nampiteraka tondra-drano tsy misy fitsaharany. Raha mitombina tokoa io vinavina io, azo inoana fa tsy maintsy hiantraika amin’ny fambolena hipaka any amin’ny famatsiana sakafo. Niaraha-nahita fa sambany nisian’ny singany voatabia iray namidy 200 Ar, raha ny teto Antananarivo. Fa ny tena mampanahy, atahorana ny voka-bary amin’ity taom-pambolena ity, satria ao anatin’ny vanim-potoana fanetsana ny mpamboly izao, toy ny vary vakiambiaty, tena mamatsy ny mpanjifa eto amintsika.

Maty fanindroany ny ketsa

Nanomboka ny volana janoary ny fanetsana ny vary vakiambiaty. Nisy tamin’ireo mpamboly, toy ny eny Atsimondrano, Arivonimamo, voatery namerina nanetsa, nefa maty fanindroany indray satria tsy nety nihena ny rano.

Any Alaotra, niditra mivantana tao amina onjam-peo iray ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, fa dibo-drano ny tanimbary 5.000 ha any amin’ny kaominina Anororo, distrika Amparafaravola. Santionany ihany io, azo inoana anefa fa maro ireo tanimbary misedra olana amin’izao fahabetsahan’ny orana izao, indrindra any amin’ny tapany andrefan’ny Nosy, toy ny any Marovoay (Boeny), Morondava sy Mahabo (Menabe), Andapa (Sava), anisan’ny sompitr’i Madagasikara. Tsy haharaka ny vokatra eto an-toerana, ka tsy maintsy hitombo ny fanafarana vary avy any ivelany.

Ankoatry ny traboina vokatry ny rano miakatra, miaina anaty hanoanana (kere) ny mponina any atsimo ankehitriny. Tetibola 170 tapitrisa Ar no voaangona avy amin’ny malala-tanana sy ny teratany teto an-toerana, raha toa ka maherin’ny 100 miliara Ar no ilaina, hoy ny praiminisitra. Nanome ampahany ihany ny mpamatsy vola vahiny, saingy tsy nisy ny hetsika manokana tena hiatrehana an’ity fanampiana ny traboina vokatry ny tondra-drano sy ny kere ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Cet article Mbola hiharatsy ny andro ? : hanahirana ny famatsiam-bary amin’ity taona ity est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70313

Trending Articles