Manao ranolava amin’ izao fotoana izao ny famotorana sy fanadihadina ataon’ny polisy amin’ ny fikarohana ny tena fototry ny famonoana ilay vazaha teratany frantsay manambady vehivavy malagasy, monina ao amin’ny fokontany Marofototra Vatomandry. Ankoatra ilay ramatoa vadiny, mpiandry fonja iray hafa koa izao no atao famotorana eo anivon’ny polisy izay misahana an’ ity raharaha ity. Raim-pianakaviana miisa efatra nosamborina talohan’ireo. Enina no ahiahina ho nahavita ity heloka bevava ity, raha izany. Mbola tsy minjanona eo anefa ny raharaha fa mbola mitohy ny famotorana sy fikarohana, hoy ny loharanom-baovao. Raha tsiahivina, tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana ilay vazaha. Tsy nisy afa-tsy takon-kenatra sisa teny aminy. Raha ny tombantomban’ny mpitsabo, vao avy nanao firaisana ara-nofo tamin’ny vadiny izy no nisy namono. Mbola nahitana tsiranoka ranon’ aina mantsy teny aminy. Teny amoron-dranomasina kosa no narian’ny nahavanon-doza ny razana. Anisan’ny raharaha goavana andrasan’ny maro any Vatomandry, ity raharaha ity, amin’ izao fotoana izao. Taorian’ny fampanenoana lakolosy nataon’ny ambasadaoron’i Frantsa, tsapa fa mihetsiketsika ny raharaha rehetra mahatafiditra frantsay.
Sajo sy Yves S.
Cet article Famonoana vazaha : mpiandry fonja atao famotorana. est apparu en premier sur NewsMada.