Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

SZM : nifandray tetsy Mahamasina ireo skoto

$
0
0
skoto

Nomarihina omaly tetsy Antsahamanitra ny Andro eran-tany ho an’ny skotisma. Maherin’ny 2.500 ireo skoto zazalahy sy zazavavy ary ankizy avy eto Antananarivo sy ny manodidina tonga nanotrona ny fotoana.

« Fifandraisana » ny lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana. Fifandraisana amin’ny namana, amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo samy skoto ary indrindra amin’ny alalan’ny fivoaran’ny teknolojia moderina no nasongadina tamin’izany.

Novoizina ihany koa ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Navoitran’ireo skoto tanora fa manjaka ny herisetra miainga any an-tokantrano, hatrany am-pianarana sy eny amin’ny fiarahamonina.

Anisan’ny sakana tsy mampandroso ny ankizivavy eo amin’ny lafim-piainana maro ireo karazana herisetra miseho aminy. Nasehon’ny Fanilon’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny rindran-tsehatra izany karazana herisetra izany.

Nampahafantarina ny ankizy ihany koa ny fandaharanasam-pampianarana mikasika ny fahatokisan-tenan’ny vehivavy. Nandray anjara ny skoto afrikanina  izay nanasongadina fa mety ho tonga amin’ny tanjona iriny avy ny ankizivavy rehetra saria ao aminy ny hatsarana sy ny fahalalana.

Marihina fa nifanojo indrindra amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany, Baden Powell, ity fankalazana omaly ity. Eto madagasikara, anisan’ny tena mampivondrona ny ankizivavy betsaka indrindra ny skotisma zazavavy (SZM). Maherin’ny 50.000 ankehitriny ireo mpikambana manerana ny Nosy izay avy amin’ny fikambanana telo lehibe. Anisan’izany ny Kiadin’i  Madagasikara, Mpanazava eto Madagasikara ary ny Fanilon’i Madagasikara.

Raha ny  vinan’ny taona 2020 ho an’ny skotisma zazavavy, tanjona ny hahatonga ny ankizivavy hahafantatra ny lentany ary ho sahy hiatrika ny fanovana maneran-tany.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70773

Trending Articles