Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Disadisan’ny kaominina Alasora : nitondra fanazavana ny ben’ny tanàna

$
0
0

Tsy nampiova ny hevitry ny ben’ny tanànan’Alasora, Ramanamihaja Benarivo, ny fahafahana vonjimaika nomen’ny fitsarana ,ny mpanolotsaina kaominaly notoriny. « Miandry am-pitoniana ny didim-pitsarana hivoaka anio aho satria fantatro fa nisy ary nitombina avokoa ny zavatra niampangako azy”, hoy izy. Nomarihin’ny ben’ny tanàna anefa fa tokony ho lesona ho an’ny voampanga, amin’ny fiainany any aoriana, iny nitranga taminy iny na ho afaka eo aza izy.

Mikasika ny fihetsika nasehony nandritra ny fivoriambem-pokontany niaraha-nandinika ny fanorenana toeram-pamonoana akoho tamin’ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana teny Mahitsy no nitoriako io mpanolotsaina io, hoy ny ben’ny tanàna. Nanivaiva sy nanala baraka ahy teo imasom-bahoaka sady nitondra tavy mandry nisy maloto ny mpanolotsaina Rabetokontany Mario, tamin’io fotoana io, ka tsy lefitro, hoy izy. Niteny ratsy ahy koa izy rehefa nafana ny adihevitra tao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana niarahan’ny mpanatanteraka sy ny filan-kevitra tamin’ny 30 desambra, araka ny tsiahy nataon’ny ben’ny tanànan’Alasora, omaly. Notohizany tamin’ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana nanoloana ny biraom-pokontany tao Mahitsy izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana, ny tsy firaharahany ny ambaratongam-pahefana tamin’ny 04 janoary teo, araka ny filazan’ny ben’ny tanàna ihany. Mbola ampangain’ny ben’ny tanàna ho naniraka ny mpanaparitaka trakta fandrahonana ho faty sy ho ravana fananana, niharo fanalam-baraka tao amin’io fokontany io koa io mpanolotsaina notoriny io.

Nambaran’ny ben’ny tanàna Ramanamihaja Benarivo ao Alasora fa tsy misy ifandraisany amin’ny raharahan’ny labatoara ao Ankadindratombo velively ny adin’izy sy io mpanolotsaina io. Mitana azy ho tompon’antoka amin’ireo fototry ny fiampangany ireo kosa ny tenany, hoy izy, omaly.

Manou

Cet article Disadisan’ny kaominina Alasora : nitondra fanazavana ny ben’ny tanàna est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70666

Trending Articles