Hanatontosa hetsika ho fanoherana ny fiara tsy mataho-dalana (4×4) an’ny solombavam-bahoaka sy handavana ny fitakiana tombontsoa lavareny ataon’izy ireo ny Wake Up Madagascar na ny Mitsangana i Madagasikara, ny zoma 6 marsa izao. Navoitran’ny fanentanana ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana fa fanehoana firaisankina hanoherana ny tombontsoa manokan’ireo depiote izany.
Hanatanteraka adihevitra momba ny fampihavanam-pirenena sy ny fampandrosoana etsy amin’ny DLC Anosy, rahampitso, ny eo anivon’ny Donak’afon’ny tanora (Data).
Anisan’ny hitondra famelabelarana amin’izany ny mpitarika ny antoko RSD, Andrianirina Fetison, ny filoha lefitry ny HVM, Mohamed Rachidy, Razafimandimby Eva avy amin’ny GEFP, ny talen’ny fifandraisana ao amin’ny tetikasa Ambatovy…
Nanafatrafatra ny mpikamban’ny Cenit ny minisitry ny Raharaham-bahiny Atallah Béatrice, afakomaly teny Alarobia, mba hitandro hatrany ny maha rafitra mahaleo tena ity andrimpanjakana iray ity . « Aoka koa tsy hanana fiandaniana amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao », hoy izy.
Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.